Ephesians 1

1Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy araka ny sitrapon’Andriamanitra, ho an’ireo olo-masin’Andriamanitra any Efesosy, izay mahatoky ao amin’i Kristy Jesosy. 2[Fanamarihana: Misy fandikana sasany manala ny hoe: “Ao Efesosy” saingy mety ao amin’ny taratasin’i Paoly tamin’ny voalohany izany. ] Ho aminareo ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3Deraina anie ny Andriamanitra sy Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika tao amin’i Kristy tamin’ny fitahim-panahy rehetra avy any an-danitra ao amin’i Kristy. 4Andriamanitra nifidy antsika tao aminy hatramin’ny fiantombohan’izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika.

5Andriamanitra dia nisafidy antsika mialoha ho amin’ny fananganana ho zanaka tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka ny sitrapony. 6Ny fananganana antsika dia mitondra amin’ny fiderana ny fahasoavany be voninahitra izay nomeny antsika maimaimpoana tao amin’ilay Iray izay tiany.

7Ao amin’i Jesosy Kristy dia mahazo fanavotana amin’ny ràny sy ny famelan-keloka isika, araka ny harem-pahasoavany. 8Narotsany tamintsika tamin’ny fahendrena sy fahalalana rehetra izany fahasoavana izany.

9Nataon’Andriamanitra fantatra tamintsika ny zava-miafin’ny sitrapony, araka izay tiany, sy izay nasehony tao amin’i Kristy, 10niaraka tamin’ny fandaharana iray amin’ny fahafenoan’ny fotoana, hanangonana ny zavatra rehetra, ety an-tany sy any an-danitra, ho loha iray, na Kristy aza.

11Ao amin’i Kristy dia voatendry ho mpandova isika. Nofidiana mialoha araka fandaharan’ilay mampiasa ny zavatra rehetra araka ny tanjon’ny sitrapony isika. 12Andriamanitra nanendry antsika ho mpandova mba ho isika no manana fahatokiana voalohany ao amin’i Kristy, mba ho fiderana ny voninahiny isika.

13Tao amin’i Kristy, ianareo koa, rehefa naheno ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsaran’ny famonjena anareo, dia nino Azy ianareo ary voatomboka tamin’ilay Fanahy Masina nampanantenaina, 14izay antoka ho an’ny lovantsika mandra-pahazoantsika tanteraka izany, ho fiderana ny voninahiny.

15Noho izany antony izany, hatramin’ny nahenoako ny finoanareo ny Tompo Jesosy ary ny fitiavanareo ireo olo-masiny rehetra, 16dia tsy nitsahatra ny nisaotra an’Andriamanitra aho noho ny aminareo ary tsaroako am-bavaka ianareo.

17Mivavaka aho mba ny Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay Rain’ny voninahitra, hanome anareo ny fanahin’ny fahendrena sy fanambarana amin’ny fahalalana Azy. 18Mivavaka aho mba hanazavana ny mason’ny fonareo, mba hahafantaranareo ny toky izay niantsoany anareo sy ny haren’ny voninahitry ny lovany eo amin’ireo olo-masin’Andriamanitra rehetra.

19Ao amin’ny fivavako dia mangataka aho mba hahafantaranareo ny fihoaran’ny halehiben’ny heriny ao amintsika izay mino, araka ny fiasan’ny heriny lehibe. 20Izany hery izany ihany no nampiasain’Andriamanitra tao amin’i Kristy rehefa natsangany tamin’ny maty Izy ary napetrany teo an-tanany ankavanana tany an-danitra. 21Kristy dia napetrany ho ambonin’ny lalàna sy ny fahefana ary ny hery sy fitsarana, ary ny anarana rehetra izay misy. Hanapaka Kristy, tsy ho amin’izao vanim-potoana izao ihany, fa ho amin’ny vanim-potoana ho avy koa.

22Napetrak’Andriamanitra ho ao ambanin’ny tongotr’i Kristy avokoa ny zavatra rehetra ary natolony ho lohan’ny zavatra rehetra ao amin’ny fiangonana Izy. Ny fiangonana no vatany, ilay fahafenoin’Ilay mameno ny zavatra rehetra amin’ny endriny rehetra.

23

Copyright information for PltULB